top of page
Gasyclimb look.jpg

Ankafizo amin'ny fijery hafa indray ny natiora malagasy 

isika rehetra miaraka no afaka miaro ny tontolo iainana sy izay rehetra eo aminy, manampy ereo mpikaroka, ary ny mponina rehetra

NY FOTODRAFITRASANAY

Eo an-dalampanorenana ny fotodrafitrasa lehibe izahay izao,  io fotodrafitrasa io dia toerana lehibe natao hianihana hazo sy kilalao maro hafa, ary izy no voalohany eto Madagasikara. Miara-miasa amin'ny fikambanana Mitsinjo izahay ary ny fondation EnZpire.  


Io fotodrafitrasa io dia hifototra tanteraka amin'ny  fitiavana natiora ary ny tanjonay ary dia mba hizara fitiavana mianika hazo aminareo mba ahitanareo ny hakanton'ny eny ambony eny miaraka amin'ny fitaovana fiaro tsy ho latsaka           

NY ATAONAY AMIN'IZAO

Ny valan-javaboary dia misokatra ho an'ny hetsika maro samihafa.

Nahafinaritra anay ny nampiantrano vondrona maro sy nampianatra momba ny zavakanto mianika hazo sy ny zavaboary.

FAKANA SARY SY SARY MIHETSIKA AVY ENY AMBONY HAZO ARY ASA FIKAROHANA

Gasyclimb exploring.jpg

fakana sary Propithecus diadema niaraka amin'i BBC ho an'ny tetikasa planet Earth 2.

Mihanika hazo manerana an'i Madagasikara izahay, manohana ny mpikaroka hanao fikarohana mikasika ny karazana gidro sy vorona isan-karazany, manohana ny tetikasan-tsarimihetsika samihafa ambony hazo koa izahay. Ary manampy ireo mpikaroka mijery ny karazam-biby (polinisateur) an'ireny voninkazona reniala ireny.

Fihanihana hazo an-toeran-kafa

Up in a baobab tree

niaraka nianika hazo teny ambony reniala, Ifaty, Toliary Madagasikara

mampihanika hazo ireo mpitsidika izahay ary faritra roa no hiasanay eto Madagasikara; Ny morontsiraka Andrefana sy ny Antsinanana

FIHANIHANA HAZO

Climbing a tree

Ankizy kely mianika hazo any amin'ny valanjavaboary Mitsinjo, Andasibe Madagasikara

Ankoatry ny fikarohana dia mihanika hazo ihany koa izahay ho fanatanjahantena sy fialamboly ao amin'ny ala tropikaly Mitsinjo Analamazaotra. Ny mpizahatany sy ny mpitsidika eo an-toerana dia afaka mankafy ity orinasa fihanihana ity miaraka amin'ireo mpirahalahy mpitantana azy miaraka amin'ny fiarovan-tena maro isan-karazany.

Contact

FIFANDRAISANA

Misaotra anao nameno

bottom of page